- Publicité SW45 -
mercredi, avril 17, 2024

Tapatapany

#- Ambodivona. Lehilahy voatsindrona antsy. Lehilahy iray 22 taona teo ho eo no notsindronin’ny mpanendaka antsy tetsy Ambodivona, ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Araka ny fantatra dia mpinamana maromaro izy no niaraka, nifanao aloha sy aoriana ary ity tovolahy ity no farany. Tampoka dia nianjera sy nihohoka tamin’ny tany ity farany, tsy hitan’ireo namany akory. Na izany aza tsy nisy n’inona lasa tany amin’ity tovolahy ity, ary tsy misy atahorana ny ainy.

#- Fahafatesan’i Nambinina. Diabe mangina teny Anjanahary ka hatrany Masay. Tontosa soa aman-tsara ny diabe mangina, ho fahatsiarovana ny fahatesan’i Nambinina. Niainga teo Anjanahary, toerana nahitana ny fatiny izany ary nizotra nankany amin’ny toeram-piasany, talohan’ny niafaran’ny hetsika teny Marais Masay. Nofaranan’ireo mpandray anjara tamin’ny fiaraha-misakafo izany tsy tapitra raha tsy  hariva  ny andro.

Nangonin’i m.L/ D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser