# – Sucoma. Miaramila roa naiditra am-ponja. Ny zoma lasa teo no natolotra ny fampanoavana tao Morondava ireo olona sivy voarohirohy tamin’ny halatra teo anivon’ny orinasa Sucoma. Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo ka miaramila ny roa tamin’izany. Ireo no voatazona mahakasika ilay fampiasàna kamiao miaramila izay nitaterana ny siramamy an-taoniny maro. Raha araka ny fanazavan’ny zandary dia mbola misy olon-kafa karohina momba ity raharaha ity. Mbola misy ihany koa siramamy 69 taonina very ka miparitaka any ho any, raha araka ny loharanom-baovao mitovy.
# -By Pass. Olona efatra maratra mafy. Ny faran’ny herinandro lasa teo, olona tsy latsaky ny dimy no naratra mafy noho ny daroka nahazo azy ireo. Naiditra hopitaly avokoa izy ireo araka izany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tao amina trano iray manao karaoke no nisy ny disadisa. Nisy andian’olona roapolo mahery, ankilany sy olona enina, andiny, samy tao avokoa. Tsy fantatra izay niseho fa dia izao niafara tamin’ny sakoroka, be no ho ny vitsy izao. Efa fantatry ny mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana ny fandehan-draharaha. Misokatra ny fanadihadiana.
# – Amparafaravola. Mpandraharaha roa voaroba. Jiolahy maromaro nitondra basy no tonga nanafika mpandraharaha roa, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Mandrimena, any Amparafaravola. Vokatr’izany, lasa ny vola rehetra, nopotehan’ny jiolahy ny milina fitotoam-bary. Tao amin’ilay trano voalohany dia nifindra tao amin’ny efitra hafa ireo tompony. Nanjaka tanteraka ireo mpandroba. Nalainy izay tiany nalaina. Azony izany dia nifindra tao amin’ny trano faharoa ry zalahy. Rehefa naka izay zakany izy ireo dia nametraka taratasy nilaza fa mbola hiverina. Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’izao fotoana izao ary matahotra mafy tokoa.
D.R/r.s.