# – Maurice. Vehivavy malagasy iray namoy ny ainy. Omaly tolakandro tokony ho tany amin’ny 1 ora mahery tany, vehivavy malagasy iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny fianjerana tao amin’ny trano nipetrahany, araka ny nitanteran’ny gazety mpiseho isan’andro any amin’ny nosy Maurice. Hanta Ninna Rakotoarivony Bauthors, vadina maorisiana antsoina hoe Cyril Bauthors, ity maty ity. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy any an-toerana mikasika ity fahafatesana ity.
# – Andohoranofotsy. Sinoa voaroba 20 tapitrisa ariary. Mpandroba voalaza fa miisa dimy nitondra basy sy sabatra no nanafika teratany sinoa iray teny Volotara Andohoranofotsy, ny talata tamin’ny 5 ora. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nilaza ho polisy ireto bandy ireto ary niditra ny trano mody hanao fisavana. Raha vao tonga anefa izy ireo dia ny vola no notakiany. Ankoatra ny vola, maro koa ny zavatra lasany, toy ny finday. Raha vao nahazo vola izy ireo dia niala ny toerana nandeha an-tongotra, hoy ny vaovao voaray.
# – Antsirabe. Tokantrano iray voaroba. Tokatrano iray no notafihan’ny jiolahy nirongo basy tany Andranomanelatra Antsirabe. Tamin’ny talata alina tamin’ny 9 ora no niseho izany fandrobana izany. Novakian’ireo olon-dratsy ny varavarana ary teo ry zalahy no niditra. Avy eo, nalaina avokoa izay sendra ny tanany, entana maro isan-karazany. Afaka niantso vonjy ihany ny tompon’ny trano. Efa lasa anefa ireo jiolahy vao tonga ny mpitandro filaminana. Misokatra ny fanadihadiana.
nangonin’i r.s.
#- Mahajanga. Mpamono olona voasambotra. Telo volana aty aoriana, namokatra ny fanadihadiana sy fikarahona nataon’ny zandary, taorian’ilay famonoana olona mahatsiarivana nitranga tao Mahajanga ny 10 desambra lasa teo. Tovolahy iray mpiasan’ny rainy ihany no namono ity olona ity. Nandositra izy taorian’izay ary tratra tany Befandriana Avaratra, ny talata lasa teo. Niaiky ny heloka vitany ity olon-dratsy ity ary natolotra ny mpitsara mpanao famotorana avy hatrany. Nalefa any am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
#- Ambositra. Ramatoa nahatratrarana kalaky. Nandrenesana aferam-basy mahery vaika tao Ambatolahilava, fokontany Ampanafanana, kaomina Ivato Cente, Distrika Ambositra. Nidina tany an-toerana ny zandary ary tamin’izany no nisamborana ramatoa iray, taorian’ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana, ny talata lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia nahatratrarana basy kalaky iray tany amin’ity ramatoa ity. Mbola mandeha ny fanadihadiana.
Nangonin’i m.L