# – Tanjombato. Tsy mbola hita ilay olona lasan’ny rano. Hatramin’ny omaly dia fantatra fa tsy mbola hita ilay olona lasan’ny ranon’Ikopa tamin’ny talata alina. Nitsoraka tany anaty rano ny fiara iray nisy olona efatra. Avotra soa amantsara ny telo, fa ny fahefatra koa tsy hita izay misy azy na dia efa nanao ny fikarohana aza ny mpamonjy voina. Araka ny vaovao voaray dia toa hoe hiantso “zana-drano” ireo fianakaviana hitadiavana ny vatan’ity olona mbola tsy hita ity.
# -Ambohimangakely. Trano iray voaroba. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy tamin’ny 1 ora, norobain’ny jiolahy ny trano iray eny Ikianja Ambohimangakely. Ny vaovoa voaray no nahafantarana fa tsy nahare ny nidiran’ireo olon-dratsy ny tao an-trano. Efa nangorona ny entana ireo mpangalatra vao nisy taitra. Voaambana antsy avy hatrany anefa izy io ka tsy afaka nihetsika. Lasan’ireo jiolahy ny zavatra tsara rehetra sy ny vola hitany tao amin’ilay trano.
Nangonin’i r.s