- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024

Tapatapany

#  Ambohijatovo. Ankizily voatsatoka antsy. Tamin’ny alarobia hariva teo, ankizilahy iray no nisy nanatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny teny Ambohijatovo. Araka ny fantatra dia toa nisy fifamaliana teny an-toerana. Tsy nijanona tamin’izao izany fa raha saika handeha ny iray dia io nisy namely antsy avy aoriana io. Naratra mafy tokoa izy. Ny vaovao hatrany no nahalalàna fa efa nisy ny voasambotra tamin’ity zavatra ity.

#  By Pass. Mpitondra moto maty. Tamin’ny alarobia teo, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny làlana By Pass. Olona iray nitondra moto no sendra ny loza raha izy handeha hamonjy fodiana iny. Nisy olona niampita tampoka mantsy tamin’izay fotoana izay. Niezaka niala izy fa tsy afaka. Niainga ambony ny kodiarana aloha, nitontona tamin’ny tany izy ary io no nitarika ny fahafatesany.

nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser