- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025

Tapatapany

# Nitsoaka ilay mpikirakira « mena mahazo » rehefa azony ny vola mitentina 50.000ar vokatry ny fahaizany mamitaka. Efa tany amin’ny faramparany vao tonga saina ilay olona fa hay fitaka bevava no nanjo azy tao anatin’ny lalao. Raikitra ny fifamaliana izay saika tonga tamin’ny ady. Saingy tafatsoaka haingana ilay lehilahy tompon’antoka. Napetrany teo ny fitaovana…fiasany dia iny izy no nanavotr’aina.

# Lehilahy iray, madio akanjo ary tsy eritreretina ny hamono tena no tapa-kevitry ny nitsoraka tao Ikopa omaly. Soa fa mba tsikaritr’ireo mpaka fasika tao ambany tetezan’i Tanjombato ny tenany. Ireo no nifanome tànana tamin’ny famonjena azy. Avotra soa aman-tsara ilay lehilahy. Tsy afaka ny ainy fa ny akanjony fotsiny no hotsaka tanteraka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser