# – Tsiroanomandidy. Mpivady nilatsaham-baratra. Masiaka ny varatra amin’izao fotoana izao. Fantatra ary fa mpivady no nilatsahan’izany, tany amin’ny faritry Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Vokany, maty ilay lehilahy 32 taona. Maratra kosa ramatoa vadiny ary mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny fiandohan’ny taona, nandritra ny andro ratsy, am-polony vitsivitsy ny olona namoy ny ainy, vokatry ny filatsahan’ny varatra.
# – Soamanandrariny. Mpangalatra matin’ny olona. Mpangalatra iray no fantatra fa matin’ny olona, teny amin’ny faritry Soamanandrariny, afak’omaly. Trano fisotroana iray no nisy nanafika tamin’ny fotoana mbola naha maro ny mpanjifa. Voaambana sabatra avokoa ny rehetra ary tsy nahetsika. Nalain’ireo jiolahy ny vola sy ny toaka. Lasa izy ireo avy eo. Raikitra ny antso vonjy, nanenjika ny olona ka iray no tratra tsy lavitra teo. Niharan’ny daroka izy io. Naratra mafy tokoa. Tamin’ny fotoana nitondrana azy tany amin’ny hopitaly anefa dia tapitra ny ainy.
# – Toliara. « Camion » nivadika. Vokatry ny aratsin’ny lalana , fiarabe iray nitondra « conteneur »no nitongilana. Tsy fantatra na ratsy toerana ilay entana nentiny fa dia io no nianjera ary nanindry mpivarotra iray teo akaiky teo. Naratra vokatr’izany ilay olona. Nisahotaka ny rehetra tamin’izany. Omaly atoandro no niseho ny loza tany Toliara.
nangonin’i r.s.