- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024

Tapatapany

#-Ampasapito. Zaza telo taona, hita faty tanaty zaoridira. Tranga mampalaelo no niseho teny Ampasapito, omaly. Zazalahy kely tokony ho telo taona teo ho eo, no hitan’ny olona nifono « sachet » tanaty fanariam-pako sy lobolobo. Efa tsy nisy aina intsony ity zaza kely ity, ary olona saika hanary maloto vao maraina teny an-toerana no nahita ity tranga mampihorin-koditra ity. Tsy nahitana ratra teny amin’ity zaza ity. Tsy fantatra hatreto izay antony nahafaty azy sy izay olona nanary ity vatana mangatsiaka ity teny amin’ny toerana fanariana maloto. Efa naterina any amin’ny tranom-paty ny razana.

#-Fenoarivo. Fanafihan-jiolahy, olona iray voatifitra tao amin’ny fitombenany. Nisehoana fanafihan-jioalahy mitam-piadiana indray ny teny amin’ny faritra Alakamisy Fenoarivo iny, ny alarobia lasa teo. Araka ny fantatra, dia jiolahy enina mitam-basy no nanafika tokantrano iray, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo. Rehefa azony izay nilainy tao amin’io tokantrano io dia nitsoaka izy ireo nihazo ny tsena. Sendra olona maromaro teo ka avy hatrany dia nitifitra, ary nahavoa lehilahy iray teo amin’ny fitombenany. Efa naterina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ity olona naratra ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser