- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# – Ilakaka. Mpanao gazety tsy navela haka sary. Sady norahonana no natositosika, no tsy navela haka sary, ny mpanao gazety iray tany amin’ny toerana antsoina Manombo, tsy lavitra an’Ilakaka. Araka ny voalazany, nikasa haka sary tamin’ireny toerana misy mpitandro filaminana miasa amin’ny lalana ireny izy, na ilay antsoinba hoe pr. Tsy vitan’ny natosika fa nilazana koa fa hosintonina ny karatra maha mpanao gazety azy.

# –  Tsiroanomandidy. Olona nihinana alika saika voavono. Tamin’ny talata lasa teo, lehilahy iray niaraka tamin’ny zanany no fantatry ny olona fa nihinana henan’alika tany Tsiroanomandidy. Nisy zanak’ alika very foana teo amin’ny manodidina. Nikaroka ny tompony ary fantatra fa io olona io no nisy nahita nitona zanak’ alika. Nanomboka nitangorona ny olona. Tsy nisy azo natao moa fa rehefa samy avy nijery sy nitabataba dia samy nirava teo. Saika nisy aza moa ny fikasihan-tanana. Toa tsy nahoan’ilay lehilahy anefa izay, fa raha vao lasa ireo olona marobe dia namboariny ihany ilay “hena”.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser