#- Trafikana basy. Olona roa voasambotra. Miparitaka dia miparitaka tokoa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika, izay miafara eny an-tanan’ireo olon-dratsy. Ny herinandro ambony lasa teo, lehilahy roa no voasambotry ny mpitandro filaminana. Araka ny fantatra dia nahitana basy poleta sy fitaovam-piadiana hafa tany amin’izy ireo.
#- Ivato Seranana. Omby tafiditra teny amin’ny « piste ». Nisehoana tranga hafa kely teny Ivato Seranana ny sabotsy maraina lasa teo. Omby iray no tapaka tady ary tafagorobaka teny amin’ny « piste » fandehanana sy fipetrahan’ny fiaramanidina. Nifanenjahana hatramin’ny alina omby io fa tsy nety azo. Mba hisorohana ny lozam-piaramanidina mety hitranga haterak’izany dia tsy maintsy notofirin’ny zandary ity omby ity.
Nangonin’i m.L