- Publicité -
mardi, mai 20, 2025

Tapatapany

# Anosibe. Jiolahy roa voasambotra. Bandy roalahy no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 ny faran’ny herinandro teo, teny Anosibe. Araka ny fantatra dia anisan’ireo bandy nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny trano iray tao Ambodivona izy ireo, tamin’ny faram-paran’ny volana martsa  teo. Nahita faisana mihitsy ny mpiambina nanaovan’ireto bandy ireto azy.

# Ampefiloha. Mpisam tratra. Ramatoa iray no niharan’ny sinto-mahery teny Andavamamba ny fiandohan’ny volana aprily. Very tamin’izany ny paoketrany niaraka tamin’ny finday roa sy vola 20 000 ariary. Nametraka fitoriana tany amin’ny polisy izy. Nisy nahita izany fanendahana izany ary fantatra ihany koa ilay bandy.  Nosamborina teny Manarintsoa ilay izy. Efa namidiny ireo zavatra lasany. Ny paoketra sy ny taratasy nariany. Araka ny nambarany, dia efa in-telo izy no nanendaka teny amin’iny faritra iny.

# Ampasika. Lehilahy maty an-drano. Lehilahy iray no fantatra fa maty an-drano tany Ikopa, omaly. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa telo izy ireo no nandeha nilomano. Tsy fantatra anefa izay niseho, fa rehefa tao anaty rano tao, izy irery no tsy tafapoitra. Tovolahy eo amin’ny 24 taona eo ity maty ity ary nonina teny amin’ny manodidina teny fahavelony.

# Ambohimanambola -Tovolahy nisy naka ankeriny. Afaka nitsoaka an’ireo olona nolazainy fa naka azy an-keriny ny tovololahy iray eo amin’ny 17 taona eo. Teny amin’ny faritr’Ambohimanambola izy no nolazainy fa nisy naka ary nampidirina tao anaty fiara mainty misy fitaratra mainty koa. Rehefa tonga teny amin’ny faritra Atsimondrano anefa, nijanona ilay fiara ary afaka nandositra izy, araka ny filazany hatrany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser