# – Foulpointe. Trano ampolony kilan’ny afo. Nisehoana hain-trano nahapotika trano ampolony tany amin’ny faritry Foulpointe, omaly. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa fonenana vita amin’ireny akora mora mirehitra ireny avokoa ireo potika ireo. Tsy mbola fantatra mazava ny rangory fototry ny afo. Efa manao izay ho afany ny mponina any an-toerana amin’ny fifehezana izany tsy hifindra amin’ny toerana akaiky. Mahatratra ampolony maro ireo fianakaviana traboina amin’izao fotoana izao.
r.s.