- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

# – Ampitatafika. Taolan-dava ampoly tao anaty lobolobo. Tao anaty lobolobo no nahitan’ny olona taolam-paty tao anaty sakaosy teny Ambohipamonjy Ampitatafika ny alarobia lasa eo. Taolan-dava ampolony mahery. Olona sendra nandalo aloha no nahita izany. Noheveriny fa zavatra hafa ny tao anaty sakaosy ka rafitra nisava ny anao. Taitra anefa izy nahita ireo taolam-paty ireo. Nilaza haingana tany amin’ny tompon’andrikitry ny fokontany izy.

# – Lozan-dalamby. Olona efatra namoy ny ainy. Ny faha-7 aprily lasa teo, tamin’ny 3 ora sy sasany, nisehoana loza ny zotran-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara teo amin’ny toerana atao hoe Androngobato. Vokany, olona efatra no maty ary 22 hafa maratra mafy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy olona niisa 27 nampiasa ireny karazana kalesy kely vohizina tanana ireny tamin’ny lalamby. Voalaza fa ho any Sahambavy izy ireo.Tsy afaka mijanona anefa izany raha tsy kaliana hazo. Niala nivoaka ny lalana ilay izy ary tsy azo nialana ny loza.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser