- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025

Tapatapany

#- Ambodimita. Lehilahy iray naratra voadonan’ny fiara. Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny teny Ambodimita, ny alin’ny alarobia lasa teo. Araka ny fantatra dia fiarana orinasa iray no nandona olona teny amin’iny faritra iny. Naratra mafy vokatr’izay ity lehilahy ity ary nalefa haingana teny amin’ny tobim-pahalasamana.

#- Ambodifilao. Tovovavy voaendaka teny ambony taxibe. Manjaka mihitsy ity resaka endaka sy sinto-mahery ity eto an-drenivohitra. Tovovavy iray no nisy nanendaka raha teny ambony taxibe, omaly hariva. Araka ny fantatra dia niakatra teo Anosy ny tovolahy iray ka rehefa avy nahavita ny asa ratsiny izy dia nidina teo Ambodifilao. Nifanenjahana ihany fa tsy azo intsony.

#- Andekaleka. Mpitandro filaminana nandrava fotoam-pivavahana. Tranga tsy dia fahita firy indray no niseho tao Andekaleka, Birckaville, ny alahady lasa teo. Mpitandro filaminana iray no tonga tao amin’ny fiangonana tany an-toerana, ary nandrava tanteraka izany. Naka ny fitaovana tao am-piangonana ary nanimbazimba ny alitara. Tsy fantatra mazava araka izany izay anton’izao fihetsika izao, raha ny filazan’ilay mpitarika fivavahana tonga taty aminay. Efa nampandrenesina amin’ity seho ity moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser