- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025

Tapatapany

# – La Réunion. Famonoana an’i Ivann. Rehefa avy nohenoin’ny mpitsara ilay lehilahy iray voarohirohy tamin’ny nahafaty an’ilay teratany malagasy iray Ivann Rakotozafy dia fantatra fa nalefa any am-ponja miandry ny fitsarana azy. Tamin’ny alakamisy teo io olona io no niakatra tiribonaly. Misy ny porofo eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana hitazonana azy. Hatramin’izao anefa, hoy ny vaovoa, mandà ho tsy nanao izao heloka izao izy. Voampanga ho namono olona an-tsitrapo io lehilahy io.

# – 67 Ha . Nitohana ny lalana. Omaly tokony ho tamin’ny 1 ora tany ho any, nitohana ny lalana teny amin’ny faritry ny 67 Ha. Nisy ireny fiarabe mpitondra solika ireny nifandona tamina taxi-be. Dia teo afovoan’ny lalana no voabahana tamin’izany. Raikitra ny fimenomenoman’ny mpampiasa iny lalana iny fa naharitra ela dia ela izany fitohanana izany.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser