# – Anosy. Safira « masom-piso ». Natao omaly teny amin’ny tiribonaly ny fihainoana ireo olona rehetra voakasin’ilay raharaha safira “masom-piso” izay nahavoarohirohy teratany sri lankais roa sy vehivavy malagasy iray. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa hatao amin’ny andro manaraka ny fitsarana izany. Afaka nandeha nody avokoa izany ireo rehetra tafiditra amin’izany.
# – Manandriana. Nosamborina ilay vehivavy. Taorian’ny nahafaty ankizy lahy 16 taona teny Manandriana Avaradrano, fantatra izao fa vehivavy iray no nosamborina teny an-toerana. Fifamaliana teo amin’ny roa tonta no nampidi-doza ary namoizana ain’olona.
nangonin’i r.s.