# Ambodifilao. Trano iray nirehitra. Nisehoana hain-trano indray tetsy Ambodifilao, omaly tamin’ny enina ora sy sasany hariva. Mbola tsy fantatra hatreto ny antony nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana avy hatrany kosa ireo mpamonjy voina, narahin’ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana azo dia nalaky voafehy ihany ny afo. Saingy ho setrin’izay anefa dia niteraka fitohanana zavon-tany teo amin’ny fifamoivoizana ity loza niseho ity.
# Basy tsy ara-dàlana. Lehilahy iray voasambotra. Voasambotry ny pôlisy avy amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava etsy Anosy ny lehilahy iray, tompon’ilay basy tratra, tamina mpitondra môtô roalahy tetsy amin’ny “boulevard de l’Europe” ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fanazavana azo dia saika handeha hitsoaka any Mahajanga ny lehilahy izao sarona tetsy Talatamaty izao. Raha ny filazany tao anatin’ny fanadihadiana dia hoe ilainy hiarovan-tena io fitaovam-piadiana io, satria mpandraharaha ny asany. Natolotra ny Fampanoavana omaly ihany moa ity lehilahy tompona basy tsy ara-dalàna ity.
Nangonin’i m.L