- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

# 67 ha – Trafikana basy. Naharay vaovao ny mpitandro filaminana, fa misy teratany afrikana mitondra basy ao amin’ny hotely iray eny an-toerana. Nidina teny an-toerana ny avy ao amin’ny GSIS hijery izany sy nisava. Ny vaovao no nahalalana fa tsy nahita na inona na inona ry zareo. Mandeha hatrany ny fanadihadiana ka farany, ilay tompon’ny hotely no nentina teny Fiadanana natao famotorana. Rehefa vita izany dia nalefa  nody izy.

# Itaosy. Lehilahy maty vaky loha. Lehilahy iray no fantatra,fa maty vokatry ny fianjerany avy eny amin’ny rihina faharoa tao amin’ny trano teny Ambaniala Itaosy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nipetraka teo amin’ny lavarangana izy io no nianjera tany ambany. Vaky ny lohany ary dia izany no nitarika ny fahafatesany.

# Analakely. Mpisoloky roa voasambotra. Olona roa, vavy sy lahy mitonona ho mpivady no sarona nanao taratasy hosoka tamin’ny findramam-bola. Banky iray mampindrana vola no nitory azy ireo. Feno ny taratasiny nefa voalaza fa hosoka avokoa, toy ny karapanondro, ny taratsy avy any amin’ny fokontany, ny “certificat de mariage” sy ny sisa. Natolotra ny fitsarana omaly izy roa ireo.

# Mangamila. Dahalo am-polony nandrava tanana. Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany Mangamila, disitrika Anjozorobe ny alatsinainy alina lasa teo. Andian-dahalo am-polony maro, mirongo fitaovam-piadiana no indray nirohotra tao amina tanana iray. Nirefodrefotra ny basy ary omby maromaro ihany koa no lasa tamin’izany. Efa eny am-pelantanan’ny zandary ny raharaha, izay efa manenjika sy manara-dia ireo dahalo, miaraka amin’ireo fokonolona. Omby efatra raha ny fantatra fa efa votsotra teny an-tananan’ireo malaso.

Nangonin’i r.s / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser