# – Ankadindratombo. Naparitaka tamin’ny « lacrymogène ». Naneho ny tsy fahafaliana ireo olona noravana trano, omaly, teny Ankadindratobo. Mba hanaparitahana azy ireo, nampiasa ireny gazy mandatsa-dranomaso ireny ny mpitndro filaminana tonga teny an-toerana. Vao maraina koa no nanomboka ny fandravana ireo trano voalaza fa naorina tsy ara-dàlana ireo.
# – Ambohipo. Halatra anaty tsena. Fantatra tato ho ato fa nirongatra ny halatra anaty fivarotana eny Ambolokandrina. Efa maro ireo tratran’izany ary nampandre ny polisy. Nisy ny mpitandro filaminana nanao fitafiana sivily niandry teny an-toerana. Fantatra ny fomba fanaon’ireo bandy. Ny sasany mampiresaka, ny hafa mitily ny fitoeran’ny vola. Olona iray no tratra tamin’izany. Afaka nandositra kosa ireo namany.
# – Fisolokiana. Mpivady eny Antanimora. Nampita vaovao ny polisy avy ao amin’ny Faritany Ambohidahy fa mpivady nindrana vola no tsy nahaverina izany ary nanamboatra rosia sandoka miisa 12. Mahatratra hatrany amin’ny 820 000 000 Ar izany vola izany. Izy ireo indray no nitory ireo tompom-bola ho nanao fisolokiana. Rehefa nandeha anefa ny famotorana dia sarona ihany ny nafenina. Nalefa vonjimaika any am-ponja ireo mpindrana vola tsy nahefa trosa ireo.
nangonin’i r.s.