#- Ankorondrano. Tovolahy nifampisitonana tany ambany kamiô. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Ankorondrano, ny sabotsy hariva lasa teo. Lehilahy iray any amin’ny 30 taona mahery tany ho any, no nifampisintonan’ny olona tany ambany kamiô. Nipitika lavitra vokatry ny fianjerany teny ambony môtô ity lehilahy ity ary dia niafara tao ambanin’ity fiarabe ity. Naratra mafy tokoa. Nifamonjena haingana tany amin’ny hôpitaly
#- Ankadimbahoaka. Fiara nivarina tany an-tatatra. Mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, niseho tetsy Ankadimbahoaka, lalana mankany Androndra iny. Fiara iray tsara tarehy no namarana ny lalany tany an-tanimbary, ny zoma alina lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo ny mpamily. Raha ny fijerin’ireo mponina teny an-toerana, dia mety ho nandeha mafy izy ireo, ary tsy za-dalàna. Misy fiolahana tampoka izay mantsy amin’izy làlana iny, aorian’ny lalam-by, ka mety tsy tazan’izy ireo, hoy hatrany ireo mponina.
#- Toamasina. Fanafihana ny hôpitaly manara-penitra, manahy tsikombakomba ireo mpanao fanadihadiana. Taorin’ny nisian’ny fanafihana mitam-piadiana, ka nahalasa ny vola 5 tapitrisa ariary tao amin’ny farmasian’ny hôpitaly manara-penitra tany Toamasina dia manahy ireo mpitandro filaminana ny fisian’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ireo mpiambina, izay voalaza fa naratra mafy sy ireo jiolahy.
Nangonin’I m.L