# Toliara. Solosaina very tanaty restaurant. Avy any Tana, nanao mission tany atsimo, no tratran’ny masobe tsy mahita, ny antoandron’ny alahady teo, rehefa nisakafo tao amin’ny « restaurant » iray ao Toliara. Very ny solosaina iray entin-tanana izay mitentina 3,5 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavana azo dia nisakafo sady nanao « connexion interne » tao amin’ity toeram-pisakafoanana ity izy. Rehefa vita ny sakafony tao, alohan’izy handoa vola, dia nandeha nivalan-drano. Efa tsy teo intsony ny entana rehefa niverina.
# Ankazobe- Hita faty tao anaty ala ny vehivavy iray ary tapaka ny tendany. Manodidina ny telopolo taona izy ary efa notadiavina hatramin’ny alakamisy teo, raha araka ny filazan’ny fianakaviany. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana.
Eric Man