- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025

Tapatapany

# – Mahabo. Nalainy ny vola, novonoiny ilay olona. Nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’ny tanànan’i Mahabo any Malaimbady. Ny vaovao no nahafantarana fa, nirongo basy ireo mpanafika. Avy hatrany, rehefa tafiditra ny trano ry zalahy ,dia nitaky vola 50 tapitrisa ariary. Namaly ny tompon’ny trano, fa tsy izany ao. Vola 10 taopitrisa ariary no tao. Nalain’ireo mpandroba izany ary novonoiny ilay lehilahy tao an-trano. Lasa nandeha izy ireo taorian’izany.

# – Foulpointe. Nilaozan’ilay mpampianatra ny ankizy. Toe-javatra mahavariana no nianjady tamin’ireto mpianatra nandeha nanao vakansa tany Foulpointe. Lasa nandeha tsy nitondra azy ireo ny mpamily ilay fiara, niaraka tamina mpampianatra iray rehefa naharay vola. Navelany tao izany ireo ankizy ireo. Toa tsy lasa lavitra anefa ireo olona nitsoaka fa tratran’ny barazy ary dia sarona teo ny zavatra nataony. Mpianatra avy aty Manjakandriana ireo niharan’izany.

#- Antsakaviro. Andiana mpianatra nandratra olona. Nisehoana herisetra tsy misy toa izany teny amin’iny faritra Antsakaviro iny, omaly atoandro. Lehilahy iray no naratra mafy sy torana mihitsy rehefa avy novonoin’ireto andiana mpianatra vitsivitsy avy amina toeram-pampianarana iray ao Ankadivato. Raha ny nambaran’ireo nahita dia toa hoe mamon’ny rongony ireto andiana tovolahy nandratra olona ireto, ary tsy vao izao izy ireo manao an’io toetra io.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser