#-Renivohitra sy ny manodidina. Miparitaka ny vola sandoka. Tsy vitsy ny mitaraina amin’izao fotoana izao ny amin’iny fiparitahan’ny vola sandoka eto an-drenivohitra. Vola iray alina ariary sy dimy arivo ariary izy ireo, raha ny fantatra. Tsy eto ihany anefa fa any amin’ireo faritra sasantsany ambanivohitra. Toy ny tranga teny Manerinerina, vola sandoka mitentina sivy alina sy telo hetsy ariary no nentin’ireto mpisoloky nividianana vary tany an-toerana. Raha ny filazan’ireo efa voa, dia tena tsy misy hanavahana azy ireto vola ireto, raha tsy mandinika tsara.
Nangonin’i m.L