- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024

Tapatapany

#  RN 7. Lozam-pifamoivoizana. Nisehoana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 tamin’ny alatsinainy lasa teo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Vohitsoa Ambohibary. Fiara Mazda iray no nikasa hisongona “camion”. Tsy nahavita izany mihitsy anefa ny mpamily ilay fiara kely ka nivadika ny niafarany. Vokany olona roa no naratra ka anisan’izany ny mpamily izay tena voa mafy. Ilay “camion” moa voalazan’ny vaovao fa tsy nijanona mihitsy.

#  Miarinarivo. “Camion” nifampitrongy. Omaly tokony ho tany amin’ny 4 ora sy sasany hariva, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny làlam-pirenena RN 1 bis teo amin’ny toerana antsoina Ambodifolaka any Miarinarivo. Fiara be roa no nifanenjika tamin’izany. Tsy fantatra anefa izay fandehan-javatra fa notrongisin’ilay avy aoriana ilay teo aloha. Mafy ny fifandonana ka samy nivadika ireo fiara roa ireo. Olona roa tao amin’ilay fiara teo aloha no naratra ka anisan’izany ny mpamily.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser