- Publicité -
jeudi, juillet 31, 2025
- Publicité -

Tapatapany

#-RN7. Fiarana relijiozy niharan-doza. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny làlam-pirenena fahafito. Fiara tsy mataho-dalàna ana relijiozy, no niala làlana ary nidofotra tamin’ny  rindrin-tany, vao niala kely an’Ambatolampy, omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza. Tsy nisy naratra kosa ireo relijiozy tao anatiny, fa ny fiara no nahitana fahasimbana.

# Ankazobe. Tompon’omby iray lasan’ny dahalo. Mirongotra ny asan-dahalo any amin’iny faritra Ankazobe iny. Ny zoma hariva teo, rangahy iray tompon’omby no nalain’ireo dahalo natao takalonaina, niaraka tamin’ireo omby lasan’izy ireo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Mahazina. Manao andiany maromaro ireo olon-dratsy, mirongo fitaovam-piadiana amin’izany. Tsy sahy nanohitra ny fokonolona. Fantatra fa efa navotsotr’ireo malaso ity rangahy ity, nony lasa lavidavitra izy ireo.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser