# – Ankorondrano. Môtô roa niharan-doza. Omaly efa alina ihany, môtô roa no niharan-doza tety amin’ny faritra Ankorondrano. Ny voalohany, teny amin’ny “Rond point” akaikin’ny fiangonanana Jesosy Mamonjy tamin’ny 8 ora tany ho any. Roalahy teo amboniny no nifandona tamina fiara iray . Tafiditra tao ambanin’ilay fiara ny môtô, fa ireo mpitondra kosa tafapitika. Naratra teo amin’ny lohany ny iray ary efa nalefa any amin’ny hopitaly. Ny loza faharoa dia teo amin’ny “Rond point” hivily ho any amin’ny Village des jeux. Nisy mpitondra môtô ihany koa voadona. Ny vaovao azo teny an-toerana no nahafantarana fa vaky loha sy naratra mafy teo amin’ny tongony io olona io.
nangonin’I r.s.