- Publicité -
samedi, août 16, 2025
- Publicité -

Tapatapany

# – Andavamamba. Mpanafika taxi-phone voasambotra. Nanao hetsika ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-4 mikasika ny fandrobana taxi-phone sy vaky trano nisesy teny Andavamamba sy eny amin’ny CENAM. Vokany, lehilahy iray no voasambotra tamin’ny alakamisy teo taorian’ny fikarohana natao. Tamin’ny 5 ora maraina no nalaina teny an-tranony Andavamamba Anjezika ity lehilahy mpikambana amin’ny tambajotran-jiolahy ity. Rehefa nosavaina ny trnaony dia nahitana fitaovana famakiana trano sy « bois rond » iray misy fantsika. Mampiasa basy izy sy ny namany rehefa manafika saingy tsy hita izany basy izany.

# – Mandroseza. Angalarin’ny mpisa ny fitaovana. Mihena an-toerana ny fitaovana hanamboarana trano. Rehefa nahamarika izany ny tompony dia nampandre ny mpitandro filaminana. Nojokoina ilay mpangalatra ka tratra. Irakiraka no asany ary mpimabina iray no niray tsikombakomba taminy. Hay alefany lakana miampita ny reniranon’Ikopa ny entana ary rehefa  eny dia misy fiara maka izany. Misy olona iray hanorina hotely eny amoron’Ikopa, eny Mandroseza, ary ny fitaovana hanaovana izany no nangalarin-dry zalahy. Tamin’ny alarobia teo no tratra izy ireo.

# – Ampefiloha. Tambajotrana mpampiasa hosoka rava. Ravan’ny polisy avy ao amin’ny « Enquête spécialisée » etsy Anosy ny tambajotran’olona, mividy sy mivarotra ary mampiasa taratasim-bola halatra sy mpanamboatra karapanondro sandoka. Teny Ampefiloha, ny faha-15 jona, no sarona ity fisolokiana avolenta ity. Mividy taratasim-bola  halatra izy ireo ary mbola tratra tany amin’izy ireo ny « carnet » maromaro amin’ny anaran’olona samihafa. Ireo hosoka rehetra ireo dia entin’ireto olona ireto hakana entana amin’ny tranom-barotra maro eto Antananarivo. Efa migadra eny Antanimora ireo olona tratra ireo.

# – Ankorondrano. Voasambotra Racom, nanafika tao amin’ny CNAPMAD. Roa tao taty aorian’ny nanafihan’ny sasany ny orinasa CNAPMAD eny Ankorondrano, izay nahafatesana mpiambina iray, dia fantatra izao fa voasambotra ilay voalaza fa ny tena atidoha antsoina hoe Racom. Taorian’ny fanafihana dia nisy namany telo tratra ary efa nalefa eny Tsiafahy. Izy kosa afaka nandositra. Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborany izy. Nonina teny Ankorondrano ihany izy taloha fa efa nifindra eny Iavoloha. Ny vaovao no nahafantarana fa matetika no tratra ity jiolahy ity ary nogadraina. Rehefa tafavoaka anefa dia mamerin-keloka indray.

#-Ankatso. Tovovavy iray voaendaka sy nisy nidaroka tamin’ny hazo. Vehivavy iray no fantatra fa naratra mafy indray, teny amin’ny faritra Ankatso iny, andro vitsivitsy lasa izay. Araka ny fantatra dia lasibatry ny fanendahana niharo herisetra ity ramatoa ity, izay fantatra fa saika handeha hamonjy ny toeram-ponenany. Raha iny izy nisy niantso tamin’ny finday iny mantsy no nisy nidaroka tamin’ny « bois rond ». Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny finday teny aminy, ary naratra mafy voakatr’izay izy, ka voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.

#-Toamasina. Mpangalatra motô saron’ny pôlisy. Tra-tehaka ambodiomby teo am-pangalarana môtô ny lehilahy iray, tany Toamasina, ny 18 jona lasa teo. Teo am-panaovana fisafoana mihitsy ireo mpitandro filaminana tamin’izay fotoana izay. Nentina natao fanadihadiana ilay lehilahy, ary naverina tamin’ny tompony kosa ilay môtô.

r.s./m.l

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser