#Ambodin’Isotry. Mpivarotra « mofo » norobain’ andian’olona miandahy miambavy. Ny alakamisy maraina teo, “livreur” amina fanaova-mofo iray eny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny no voaroba vola mitentina dimy hetsy latsaka teo, niaraka tamin’ny finday. Nisy teo amin’ny folo teo ireo jiolahy, vavy sy lahy tamin’io fotoana io. Taorian’io, nisy telolahy niverina teo amin’ilay toerana nisian’ny fanendahana, ka nampandre avy hatrany ny pôlisy ireo mponina. Noraisim-potsiny tamin’izany izy ireo, izay mbola nahatrarana zava-maranitra isan-karazany sy “big-boss”
#Ambohibao. Jiolahy saika hanafika, nanapoahan’ny tompon-trano basy. Feom-basy intelo no ren’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambohibao Antehiroka iny, ny alakamisy maraina lasa teo. Raha ny fanazavana azo, dia nisy jiolahy saika hanafika tao amina tokantrano iray teny an-toerana. Raha mbola niomankomana ny hanafika anefa izy ireo, no taitra ny tompon-trano ka avy hatrany dia nanao tifi-danitra, ho fampitahorana ireto andian’olona ireto. Rifatra nitsoaka araka izany ireo saika hanafika. Tonga teny an-toerana kosa ireo mpitandro ny filaminana nanohy ny fikarohana, fa nanjavona ireo tontakely
Nangonin’i m.L