- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -

Tapatapany

Toliara : “Soldat” very kalachnikov

Miaramila iray no very basy rehefa niampita rano tamin’ny faran’ny herinandro teo. Kalachnikov no nentiny ary io no nentin’ny rano, raha araka ny fanampim-baovao azo. Tsy nafeniny ny zava-nisy ary nampahafantarina ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany, tonga hatrany amin’ny minisitera tompon’andraikitra.

Antohomadinika : 15 lahy nanolana mpandeha an-tongotra

Nanendaka aloha izy ireo ary rehefa hitany fa tsy nisy na inona na inona azo nalaina teny amin’ireo olona natao lasibatra, nivadika fanolanana ny raharaha. 15 lahy no nifandimby nanao ny filan-dratsiny. Nandeha ny famotorana nataon’ny pôlisy ary fantatra fa efa nisy telo voasambotra momba ity tranga mahatsiravina ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser