# – Ambohipanja-Ilafy. Fatin-dehilahy tao anaty dobo. Omaly maraina no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray teny Ambohipanja Ilafy. Vetivety dia niely ny feo ary tonga marobe ny manodidina hijery ny zava nisy rehefa tafiakatra teny an-tanenty ny razana. Araka ny vaovao voaray dia ny alahady ity olona ity no latsaka tao anaty dobo ary tsy afaka niala tao.
# – Andrefan’Ambohijanahary. Lehilahy maty voatsatoka antsy. Lehilahy iray eo amin’ny 21 taona eo no hita faty teny Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Tsindrona zava-maranitra toy ny antsy teo amin’ny tendany no fantatra fa nahafaty an’ity olona ity. Ny vaovao no nahafantarana fa tsy voaendaka izy. Araka izany dia mety ho adiady no nahatonga izao zavatra izao. Teny Anosibe no nonina ity olona ity fahavelony.
# – Toamasina. Fanafihana mitam-basy, lasa ny iray tapitrisa ariary. Nisehoana fanafihana mitam-piadina amin’ny andro antoandro be nanahary indray tao an-tampon-tananan’i Toamasina tao, ny zoma lasa teo. Jiolahy roa mitondra PA sy basim-borona no niditra an-keriny tao amin’ny trano iray tao Ankirihirihy. Vola mitentina iray tapitrisa ariary miampy fitaovana sarobidy maromaro no lasa tamin’izany. Tonga tany an-toerana ny Emmo saingy, efa dify ireo olon-dratsy.
#- Mandoto. Mpiandry omby iray matin’ny dahalo. Asan-dahalo mahery vaika no nitranga tao Beakanga Mandoto, ny zoma lasa teo. Lehilahy mpiandry omby iray no lavon’ny balan’ireo dahalo. Omby valo kosa no lasan’ireto farany, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary any an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, izay nanara-dia ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny fokonolona tao Beakanga.
#Belo/ Tsiribihina. 30 lahy nanafika tanàna, olona roa maty. Namaivay ny fanafihan-dahalo tao Bekily, disitrika Belo/Tsiribihina, ny zoma vao maraina teo. Dahalo mananika ny 30 lahy, mirongo basy no indray nanafika tao an-toerana. Vokany, olona roa avy amin’ireo fokonolona no lavon’ny bala, dimy hafa naratra mafy, omby telopolo kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fanarahan-dia iarahan’ny zandary sy ny fokonolona.
Nangonin’i r.s / m.L