- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

#-Renivohitra. Mahazo vahana indray seky tsy misy anto-bola. Raha nangingina tokoa ity fomba fampiasan’ireo mpisoloky taloha teo, dia niha nahazo vahana indray izany ankehitriny. Tsy inona io akory fa ny fampiasana seky tsy misy anto-bola. Efa mpivarotra maromaro eto Andrenivohitra no mitaraina ny amin’ny afitsok’ireo mpisoloky ireo. Rehefa haka ilay vola tany amin’ny banky vao tera-tsemboka rehefa fantatra fa tsy misy vola akory amin’ilay kaonty. Raha ny fitantaran’ireo efa tratra, dia olona tsy ampoizina mihitsy no manao izany. Misy amin’izany, ny ramatoa mihaingo fatratra sy rangahy efa fotsy volo, tsy inoana mihitsy ny hoe hisoloky. Mila mailo tanteraka araka izany.

#Tsiroanomandidy. Dahalo roa lavon’ny balan’ny zandary. Nisehoana fifandonana mahery vaika indray teo amin’ny dahalo sy ny zandary tao Bemangoraka, Tsiroanomandidy, ny alarobia  teo. Vokany : dahalo roa no lavon’ny balan’ireo zandary tamin’izany. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia avy nanafika tao amin’io tanàna io, ny dahalo am-polony maro, nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa. Lasan’ireo tamin’izany ny omby maromaro tao an-tanàna. Tsy niandry ela fa natao avy hatrany ny fanarahan-dia, ka io raikitra io ny fifandonana. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici