# – Bekily.Tsy manaiky hikasihana ny fasany ny mponina. Raikitra ny fitrandrahana vato any amin’ny faritra antsoina hoe Ankerakera, kaominina Bekitro, disitirikan’i Bekily. Tsy manaiky an’izany anefa ny ankamaroan’ny olona, satria misy fasana voatohintohina. Orinasa vahiny no tonga any an-toerana efa ho telo andro izao, araka ny vaovao nampitaina taty aminay. Efa nanomboka nandavaka izy ireo ka tamin’izany no hita fa misy fasana ilay faritra. Niakatra tany amin’ny PDS any an-toerana ny raharaha ka naato aloha ny asa. Amin’ny alatsinainy izao no ho fantatra izay ho fanapahan-kevitra horaisina.
nangonin’i r.s.