- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024

Tapatapany

# Iavoloha, fanafihana tsy tontosa. Tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana rehefa nantsoin’ny mponina  ao amin’ny tompon’ny trano iray izay saika hotafihan’ny jiolahy, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo. Efa nopoirin’ireo olon-dratsy ny varavarana no tonga ireo mpitandro ny filaminana. Rifatra nitsoaka ary tsy nisy azo.

# Faratsiho, mpitoto vary voatafika. Telo lahy mitam-basy no tonga nanafika ny tompon’ny fitotoam-bary iray tao Faravohitra-Faratsiho. Vola 900.000 ariary no lasan’izy ireo niaraka tamin’ny finday maromaro tao an-trano.

# Ankadinandriana, mpamatsy rongony voasambotra. Ny zandary no nisambotra azy ary hatolotra ny fampanoavana anio ilay lehilahy izay nolazain’izy ireo fa mpamatsy rongony an’iny toerana iny. Rongony milanja 300 girama no sarona niaraka taminy tamin’ity indray mitoraka ity.

 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser