#Raharaha Jean Pierre. Sazy mihantona enim-bolana, miampy tsy fahazoana mamerin-keloka ao anatin’ny dimy taona, no didy navoakan’ny fitsaràna nomena an’i Jean Pierre, mpianatra mpitari-tolona teny amin’ny Anjerimanontolo omaly. Nilaza ny tsy fahafaham-pony amin’izay didy izay ary hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsaràna ambony ny mpisolo vava azy, raha ny fantatra teny an-toerana. Fa hitory ihany koa ireo mpitandro filaminana nikasi-tanana azy.
#Mpangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka. Nihanahazo vahana indray ny fitsaràm-bahoaka tato ho ato. Lehilahy iray tratran’ny fokonolona teo am-pangalarana akoho no voadarok’ireto farany, ny alarobia lasa teo, tany Andiampamaky, distrika Manjakandriana. Naratra mafy ity mpangalatra ity, ka nitarika ny fahafatesany nony avy eo. Nandray ny fanadihadiana ny zandary any an-toerana.
#-Dahalo matin’ny olona. Nisehoana fanafihan-dahalo tao Soanierana Ivongo ny alin’ny alakamisy lasa teo. Andian-dahalo maromaro no nanafika tamin’izany ka omby am-polony maro no very. Rehefa natao ny fanarahan-dia dia lehilahy iray no voalaza ho isan’ireo dahalo nanafika. Voasambotra ity farany ary tsy navelan’izy ireo raha tsy nanaraka hatramin’ny ainy. Mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary sy ny fokonolona.
Nangonin’i m.L