#-Tsaratanana. Fitsaram-bahoaka, olona iray matin’ny fokonolona, iray hafa maty voatsindrona antsy. Nisy fifandonana teo amin’ny fokonolona roa tonta, tao amin’ny fokontanin’Ambodimanga sy Miadandririnina, samy ao amin’ny distrikan’i Tsaratànana. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy tsimandrimandry tao amin’ity farany ity ny alin’ny 06 septambra lasa teo. Ny maraina anefa dia fatin-jazalahy voatsindrona antsy no hitan’ny fokonolona. Tezitra tamin’izany ireto farany ka avy hatrany dia nanafika ny tanànan’Ambodimanga. Namoy ny ainy vokatr’izay indray ny lehilahy iray 29 taona mponina ao amin’io tanàna io. Tonga nanelanelana tany amin’ireto tanàna nifandrafy ireto moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Efa manokatra ny fanadihadiany kosa ireo mpitandro filaminana.
#-Farafangana trano 110 indray kilan’ny afo. Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao Lotrananombo, kaominina Ambohiboba, any Farafangana, ny herinandro lasa teo. Trano miisa 110 no indray kilan’ny afo. Tafakatra any amin’ny 70 tapitrisa ariary any kosa ny fahavoazana, ary olona 280 no tsy manan-kialofana. Araka ny fampitam-baovao azo dia olona nahandro sakafo tao amina tokantrano iray no niandohan’ny loza. Pitik’afo tsy voatandrina no naharay zavatra mora mirehitra. Efa tonga tany an-toerana ireo solontena avy ao amin’ny BNGRC, nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina.
# – Ambatondrazaka. Lamasinina niharan-doza. Omaly maraina, niharan-doza ny lamasinina iray niala tao Ambatondrazaka ho any Moramanga. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambalavato, eo Manakambahiny, no niseho ny loza. Niala ary nipitika ny lalamby nandehanany ary dia tavela teo ilay izy. Voalaza fa tsy nisy ny olona naratra tamin’io loza io. Tsy afaka nihetsika intsony kosa anefa ilay fiaran-dalamby fa tafajanona teo. Omaly efa harivabe dia mbola nitohy ny fanamboarana ny lalana handehanany.
# – Betroka. Asan-dahalo. Tafakatra 50 ny dahalo namoy ny ainy. Araka ny tarehimarika nomen’ny mpitandro filaminana dia fantatra izao fa efa manodidina ny 50 ny dahalo maty taorian’ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny hetsika « Fahalemana 2015 ». Io aloha no isa azon’ny mpitandro filamina amin’izao fotoana izao. Izay tena zava-misy marina any an-toerana anefa dia mety ho mihoatra izany ireo namoy ny ainy.
r.s./m.L