- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# Analamahitsy. Mpitandro filaminana namono olona. Lehilahy iray manodidina ny 49 taona no maty nodarohana mpitandro filaminna iray teny amin’iny faritra Analamahitsy iny afak’omaly. Araka ny fantatra dia resaka fifamaliana tao anaty trano fisotroan-toaka no nahatonga ny fikasihan-tanana ka nitarika ny fahatesan’ity lehilahy ity. Nirevy tao amin’io toerana io mantsy ity mpitandro filaminana ity tamin’io fotoana io.

# Farafangana. Miaramila nitifitra olona. Nandritra ny hetsika « Fahalemana », tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny, miaramila iray tsy fantatra galona no nitifitra nahafaty olona iray, izay zandrin’ny Sefon’ny fari-piadidim-pampianarana any Midongy. Notazomin’ny zandary avy hatrany ity miaramila ity raha ny fantatra. Vola 2 tapitrisa ariary sy omby dimy kosa no takian’ireo fokonolona, izay araka ny voalaza dia fitsipika ao anatin’ny Dina any an-toerana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici