# Anio no henoina eny amin’ny Chaîne Pénale Anti-Corruption (CPAC) i Bekasy sy ny namany miisa 15. Mahakasika fanondranana andramena, famotsiam-bola ary kolikoly no anton’izany, raha araka ny vaovao azo. Tamin’ny alakamisy teo no tokony nanombohana ny fanadihadiana saingy noho ny fetin’ny silamo dia voatery nahemotra anio izany.
# Mbola mitohy ny fanadihadian’ny BC etsy Anosy mahakasika ny fikasàna hanondrana vehivavy marobe ho any Arabie-Saoudite. Ny atidoha nikotrika hatreto dia mpikambana fahiny teo anivon’ny CT ary koa minisi-panjakana iray tamin’ny andron’ny tetezamita.
# Mitaraina ny mpanjifa iray nisakafo tao amin’ny “restaurant” isan’ny malaza etsy Andohalo. Ny antony dia ny fandroahan’ny tompony azy ireo kanefa izy mba nitondra ny fianakaviany. Olana amin’ny isan’ny latabatra no antony ary dia niditra an-tsehatra hatramin’ny mpiambina, izay saika hikasi-tànana ireo mpanjifa.
D.R