67 Ha. 4X4 nifaoka olona, iray no maty : Ny alin’ny alarobia teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana nitarika fahafatesana ity. Fiara tsy mataho-dàlana iray no nivoaka ny làlana ka nifatratra tany amin’ny mpandeha an-tongotra. Mpivady no sendra an’izany. Ilay rangahy tsy naninona loatra fa ny vadiny kosa no nitsikasina tamin’ny tany rehefa voadona, vaky loha vokatry ny hamafisan’ny fifandonana. Nentina teny amin’ny hopitaly saingy tsy tonga teny an-toerana akory dia efa lasa ny ainy. Ilay fiara nandona ihany, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, no nitatitra ny naratra teny amin’ny hopitaly.
Ambalavao. Kamiao nivadika : iray no maty, telo naratra : Tapaka « frein » ilay fiarabe mpitatitra entana. Izay no nitarika ity lozam-pifamoivoizana nitranga tao Vatoavo, toerana iray tsy mifanalavitra amin’Ambalavao-Fianarantsoa. Avy aty an-drenivohitra ilay kamiao ary saika hihazo an’i Fianarantsoa no io nidiran-doza io. Maty tsy tsa-drano ny olona iray tamin’ireo efatra tao anatiny. Naratra mafy kosa ary novonjena nentina tany amin’ny hopitaly ireo olona telo ambiny. Niparitaka teo amin’ny manodidina ny vary notaterin’ilay fiara, noho izy nivadibadika vao tafajanona tanteraka.
D.R