- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025

Tapatapany

Misesy ny fahafatesan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa mpivarotra toaka lehibe iray eto Andrenivohitra. Ireo mpanentana eny amin’ny toeram-pivarotana no tena iharan’izany. Izy ireo mantsy dia mampisotro ny olona ary manentana amin’izany no tena asany ary omena vola mifandraika amin’izany isan’andro. Dia mazava ho azy fa mba hampafana ny fanentanana dia tafiditra ao  anatin’ny fisotroana koa ireo. Saingy rehefa ela ny ela dia nitaky any amin’ny fahalasaman’ireo mpanentana izany asa hafahafa izany. Roa tamin’izy ireo no nifanao nifanelanelana herinandro ny fahafatesany. Nahatonga saina ny mpiasa maro izay tsy sahy nikitika toaka intsony izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici