#-Itaosy.Olona dimy nahatratrarana menaka rongony. Tambajotra mpivarotra rongony indray no ravan’ny zandary avy etsy Itaosy, ny zoma lasa teo. Dimy mianadahy no nahatratrarana menaka rongony dimy litatra. Tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ireto mpanao ratsy ireto. Marihina fa an-tapitrisany maro no hivarotan’ireo olon-dratsy ireto ny iray litatra amin’ity menaka rongony ity.
#-Ivato. Lehilahy voatondro ho mpanolana, matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray no hita naratra mafy teo anoloan’ny biraon’ny hetra teny Ivato, ny sabotsy maraina lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy ity. Voatondro ho nanolana zaza tsy ampy taona anakiroa mantsy ity lehilahy ity. Vokatry ny habetsahan’ny rà very dia namoy ny ainy ity lehilahy voalaza ho mpanolana ity. Marihina fa vao avy nivoaka ny fonja teny Antanimora ity lehilahy ity noho ny vaky trano sy ny fanendahana.
#-Ambatondrazaka. Lehilahy namono vady, maty namono tena. Ady mivady niafara tamin’ny fahafatesana no niseho tany Ambatondrazaka, ny alakamisy lasa teo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandary dia maty novonoin’ny vadiny ny ramatoa iray. Namono tena tamin’ny fitelemana fanafody avy eo ity rangahy ity. Na izany na tsy izany, misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
#-Antalaha. Pakistané iray voaroba vola 350 tapitrisa iraimbilanja. Nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’iny faritra Sava iny, tao Vinanivao, distrikan’ Antalaha, ny zoma lasa teo. Teratany pakistane iray, handeha hividy jirofo any an-toerana no voatafika tao amin’ny hôtely iray nitobiany. Vokany , vola 350 tapitrisa fmg no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary, ka olona efatra no efa voasambotra. Mbola karohina kosa ireo namany hafa.
Nangonin’i m.L