# Ankadimbahoaka. Toby fivarotan-tsolika, tratra am-bodiomby nangalam-patra. Tsy vitsy ireo minenomenona, fa izao vao tena tratra am-bodiomby ny ataon’ireo toby fivaron-tsolika sasantsany. Teny Ankadimbahoaka, solika tsy ampy fatra no notetehan’ireo mpiasa hampidinina tao anatina fiara iray. Soa ihany anefa fa mailo ilay olona ka natao anaty « bidon » izany, ary hita niharihary ny tsy fahampian’ilay solika. Tsy nanaiky araka izay ilay mpividy saingy nidrikina ihany koa ny tetsy andaniny, na dia efa hita izao aza ny fangalarana nataon’izy ireo. Niafara tamin’ny fifamaliana mihitsy, ary nisy mihitsy aza ny fanompana avy amin’ireo mpiasa, araka ny nambaran’ity mpanjifa ity. Tsy fivarotan-tsolika iray, na roa tokoa no manao ity fangalaram-patra ity, fa misy maromaro eto an-drenivohitra, raha ny filazan’ireo mpanjifa efa tratra toy izany.
# Ambohijatovo. Vehivavy naratra mafy voadonan’ny taxibe. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Ambohijatovo, omaly hariva. Taxibe iray no nifatratra teny amin’ny ramatoa mpandeha an-tongotra. Naratra mafy tokoa ity farany ary nentina avy hatrany eny amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia saika hiala môtô, nibahana teo amin’ny sisin-dalàna ity taxibe ity, izao nandona olona teny amin’ny sisin’arabe izao.
Nanongin’i m.L





