- Publicité SW45 -
samedi, mai 11, 2024

Tapatapany

# Behenjy : lozam-pifamoivoizana nandratra olona. Fiara  Hyundai  iray nandona olona ka nandratra rangahy iray tokony  ho 50 taona eo. Ny zoma lasa teo no nitrangan’izany teo amin’ny làlam-pirenena  fahafito (RN7), PK33. Handeha hihazo an’Antsirabe ity fiara tradoza ity. Olona nandeha  an-tongotra kosa ilay naratra, raha araka ny fanampim-baovao. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana CSB II any Behenjy ity rangahy monina eny Tsiafahy ity.

# Ambatoroka: hazo nianjera nibahana ny fifamoivozana.  Ny alahady vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any, nianjera ity hazobe iray, tsy nisy ny aina nafoy na naratra teny Ambatoroka fa ny tariby mitondra herin’ aratry ny Jirama no tapaka, vetivety anefa dia tonga teny ny an-toerana ny sampandraharaha n’ ny vonjy voina tetsy Tsaralalana ,ka naharitra teo amin’ ny an-tsakadiny teo ny fanesorana izany hazo tapa izany. Raha  ny siosion-dresaka teny an-toerana  dia efa nisy nikapa io hazo io fa tsy azony dia navelany teo ary izao izy nianjera izao.

# Vakinankaratra: vato citrine 4 kilao no tratra. Roalahy no saron’ ny zandarimariam-pirenena ny sabotsy teo tany  Mandoto faritra Vakinankaratra  iny raha saika hitondra ireto vato citrine milanja 4kg be izao,saika hentina an-tsokosoko ary hamidy aty Antananarivo izy ireo izao sarona izao. Marihana fa mbola nahatratrarana basy PA vita gasy ary bala maromaro fampiasan’ ny miaramila irony ,efa eo am-pelatànan’ ny zandarimaria any an-toerana moa ny raharaha amin’ izao fotoana izao mba hizoran’ny fanadihadiana, ka hahafantarana marina ny nipoiran’ny vato sarobidy sy ny mety ho mpandray izany

# Ambohijatovo : nandona olona efatra izay samy naratra mafy avokoa ilay fiara Peugeot 206 ,dia nifatratra tany amin’ny fiara hafa maromaro nony avy eo. Raha ny voalazan’ny nahitamaso  dia toa mamo ilay mpamily ary io farany koa dia naratra vokatry ny fifandonana. Tezitra ny olona raha nahita ny zava-nitranga.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser