- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

#-Alasora. Fanafihan-jiolahy, rangahy lehibe iray naratra mafy. Ny alarobia vao maraim-be lasa teo, tokantrano iray teny amin’iny faritra Alasora iny no notafihan’ny jiolahy maromaro, nirongo basy. Vokany: rangahy lehibe iray tompon-trano no naratra mafy, rehefa avy novonoin’ireo olon-dratsy. Ambonin’izay, vola maromaro sy ireo entana sarobidy tao amin’ity trano ity no lasan’ireo jiolahy. Efa lasa nitsoaka izy ireo vao afaka niantso mpitandro filaminana sy namonjy ilay naratra ny olona. Efa nahazo ny fitsaboana nahazo azy ity rangahy lehibe ity. Eny an-tànan’ny mpitandro filaminana kosa ny raharaha.

#-Ambohimangakely. Ankizikely roa, maty nianjera tanaty lava-popotra. Nisehoana loza mahatsiravina indray teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, omaly antoandro. Ankizivavy kely roa no indray maty an-drano, rehefa avy latsaka tanatin’ireny lavaka avy nanaovana biriky teny an-tanimbary ireny. Araka ny fantatra ,dia nilalao teny an-tanimbary nisy an’ity lavaka mangotanatana ity ireto ankizy ireto, tsy nahita akory ny fisian’ilay lavaka. Mponina eny amin’iny faritra iny ihany ireto ankizy namoy ny ainy ireto. Tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra isan-karazany nijery ny zava-nisy, ary efa natolotra ny fianakaviana ny razana.

#-Ihosy. Miaramila namono olona. Rangahy iray monina ao amin’ny kaominina Satrokala no namoy ny ainy, taorian’ny tsindrona antsy nahazo azy, ny voalohan’ny desambra lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia avy nifamaly tamina miaramila iray, mpiambina toerana fitrandrahana vato izy talohan’ny nahafatesany. Tsy nahatanty ny fifamaliana anefa ity miaramila ity, ka avy hatrany dia nanindrona antsy ity lehilahy ity. Lasa nitsoaka avy hatrany ilay miaramila rehefa fantany fa maty ilay rangahy voatsindrona antsy. Efa mandeha ny fanadihadiana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici