- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025

Tapatapany

Ankazoabo Atsimo. Trafikana basy. Nahazoana akony indray ny raharaha maha voarohirohy ny depiote Mara Niarisy. Re avy any Ankazoabo Atsimo fa niatrika ny Fampanohavana, omaly ny olona iray akaiky azy ary dia nalefa any am-ponja vonjy maika. Hampangaina io olona io ho nanao trafikana basy sy nanamboatra basy mahery vaika. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana any an-toerana ny resaka halatr’omby dia nivoaka koa ny fanamboarana basy sy fivarotana izany.

Orana mikija. Tafiakatra 13 ny namoy ny ainy. Taorian’ny orana nikija be tamin’ny alarobia hariva, fantatra izao fa tafiakatra hatrany amin’ny 13 ny ian’ireo namoy ny ainy ary enina hafa maratra. Tetsy an-daniny, trano telo ihany koa no nirodana teto an-drenivohitra. Omaly dia maro ny toerana mbola difotry rano. Tamin’ny larobia, nahatratra hatrany amin’ny 0,8m ny ahavoan’ny rano teny Besarety, 0,6m teny Behoririka. Ankoatra izany, nisy koa ny tany nihotsaka teny Manjakamiadana sy Ambavahaditokana.

r.s./E.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici