- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025

Tapatapany

 #-Miandrivazo. Dahalo 30 lahy nanafika tanàna, olona roa maty voatifitra. Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany amin’iny faritra Miandrivazo iny, ny alarobia lasa teo. Dahalo maherin’ny 30, nirongo basim-borona, no tonga nanafika tao amin’ny tanànan’Ankilitoka, kaominina Manandaza, ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Omby 250 no lasa tamin’izany. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ka nisy ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Vokany olona roa tamin’ireo fokonolona mpanara-dia no maty, telo hafa naratra. Zandary 22 no nalefa hanampy ireo fokonolona sy kalôny hanara-dia ireo dahalo.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici