#-Ankorondrano. Vazaha nitsoaka rehefa avy nandona olona. Fiara tsy mataho-dalàna, nentina teratany vahiny iray no nandona olona tetsy Ankorondrano, ny alakamisy alina teo. Olona roa no naratra mafy vokatr’izay. Tsy nijanona anefa ity fiara ity, fa mbola nanao tari-dositra nitsoaka. Voarain’ireo nanatri-maso kosa ny laharany, raha ny fantatra. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ireo olona naratra mafy, vokatry ny hetraketraky ny hafa ireto.
#-Ambohitsoa. Vehivavy hita faty tanaty lalan-kely. Vehivavy iray manodidina ny 50 taona no hita faty teny amin’iny faritra Ambohitsoa iny, ny alakamisy maraina lasa teo, tanaty lalan-kely teny an-toerana. Tsy fantatra mazava izay antony nahafaty ity vehivavy ity, raha ny vaovao voaray. Tsy nisy ratra hita tety ivelany. Tsy nitafy intsony kosa ny tapany ambany. Vono olona, fanolanana sa matin’ny oram-be ? Noheverin’ny olona fa nentin’ny riaka, taorian’ilay oram-be ny alarobia alina lasa teo mantsy ity razana ity. Efa misokatra ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana.
Nangonin’i m.L