- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

# – Andoharanofotsy. Fahatrarana basy vita gasy. Olona roa no nosamborin’ny zandary avy ao Andoharanofotsy, ny alin’ny  10 janoary lasa teo, teny an-toerana. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa nahatrarana basy vita gasy iray tany amin’izy ireo. Naharay vaovao ny mpitandro filaminana ny amin’io fisian’ny basy tany amina tovolahy iray. Fantatra fa natory tamina hotely teny an-toerana izy io, niaraka tamina vehivavy. Tonga tao amin’io toerana io  ny mpitandro filaminana tamin’ny alina nanao ny fisavana. Tratra tao ambany ondana ilay basy. Rehefa nanontaniana ilay lehilahy dia mody tsy nahalalana ny fiavian’io fitaovam-piadiana io. Voalaza fa efa mamo izy tamin’izay fotoana izay, araka ny vaovao voaray hatrany.

# – Sabotsy Namehana. Olona iray matin’ny lozam-pifamoivoizana. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny faritry Sabotsy Namehana, omaly maraina tokony ho tany amin’ny 4 ora tany. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa olona roa no tao anaty fiara. Nihetsika aretina anefa ilay mpamily, ka lasa nifatratra tamina andrin-jiro ny fiara nentiny. Potika tanteraka io fiara io ary naratra mafy tokoa ilay saofera. Nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly izy. Na dia efa natao aza ny alanenina rehetra, tsy tana ihany ny ainy. Voalaza fa tsy naninona kosa ilay olona niaraka taminy.

# – Ambohidratrimo. Vehivavy pata-tongotra. Fiara iray no fantatra fa niharan-doza teny Ampanotokana eny amin’ny disitirikan’Ambohidratrimo ny 11 janoary lasa teo. tsy fantatra mazava aloha izay niseho fa araka ny loharanom-baovao, nidona tamin’ny “talus” ilay fiara opel. Vokany vehivavy iray efa lehibe no tapaka tongotra. Nalefa notsaboina eny Ambohibao io olona io. Efa mandeha ny famotorana ataon’ny zandary avy eny Ampanotokana.

# – Analalava. Lehilahy hita faty. Teo am-bavahadin’ny valan’ombin’ny vadiny no nahitana ny fatina lehilahy iray, 51 taona. Rehefa nojeren’ny dokotera ny razana dia hita fa nisy fivontosana teo amin’ny fihirifany havia. Ny alahady lasa teo, handeha hitery ronono no nialany tao an-trano. Somary lavitra ihany ny toerana satria any amin’ny 4 km any. Tsy niverina anefa izy. Nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny dokotera nizaha ny zava-nisy. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici