# – Morondava. Fiaramanidina kely niharan-doza. Ny faha-17 janoary lasa teo, voatery tsy maintsy nipetraka haingana tamin’ny toerana tsy tokony iantsonany ny fiaramanidina kely iray nitondra mpizahatany telo, Frantsay avokoa. Ny loharnaom-baovoa no nahafantarana fa rehefa nanao izay fahaizany ny mpanamory dia tafapetra soa aman-tsara tokoa ity fiaramanidina ity. Tsy nisy naratra ny olona tao anatiny. Nanaitra ny mponina tany an-toerana ny raharaha ary raiki-tahotra nandositra avokoa izy ireo. Tany amin’ny toerana antsoina hoe Kirindy/ Miteha 45 km atsimon’I Belo Sur mer no nipetraka ilay raopilanina. Reehfa tonga tany an-toerana moa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia nahatsapa fa mila fanamboarana be ity fiaramanidina ity. Tsy nisy ny olona naratra tamin’izao zavatra nitranga izao.
# – Betroka. Lasan’ny dahalo ny omby 100. Mpangalatr’omby miisa hatrany amin’ny 80 nirongo fitaovam-piadiana no nanafika ny tanana iray antsoina hoe Antatasy any Mahambo Betroka. Raha vao nahazo ny omby ireo mpangalatra dia nandeha niatsinana ny diany. Rikitra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona mpikambana ao anatin’ny “Zanak’I Mangoky” ary nangataka fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana hanampy azy ireo amin’ny fampiasana “helicoptere”. Tsy afaka nandeha niala ny toerana nisy azy kosa anefa ny mpitandro filaminana tao Mahambo noho ny tsy fahampian’ny isan’izy ireo izay voatery tsy maintsy miambina ny toby.
# – Benenitra. Vonoan’olona. Maty nisy nitifitra ny lehilahy iray, 35 taona nonina Andranovory disitirikan’I Betioky Atsimo. Nitondra ny raharaha teo anivon’ny mpitandro filaminana ny rain’ilay maty.rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nisy ny fisamborana ny lehilahy iray antsoina hoe Lambomena. Notazonina tao amin’ny zadanry tao Belamonty izy io. Tamin’ny fanadihadian natao dia nanonona anaran’olona telo ny anao lahy. Nosamborina izy ireo ary tanana ao Belamonty. Nosavaina ny tranony ka nahitana basim-borona miaraka amin’ny bala enina.
# – Mahajamba. Miakatra ny rano, masiaka ny voay. Taorian’ny orana mikija andro maro lasa, voalazan’ny vaovao fa maro ny trano efa ravan’ny orana any Mahajamba Faritra Boeny. Tsy vitsy koa ny fahasimbana nateraky ny fiakaran’ny rano. Etsy andaniny, masika dia masika ny voay ary efa nisy ny olona lanin’izy ireo, hoy hatrany ny vaovao voaray. Tapaka ihany koa ny lalana amin’izoa fotoana izao ary zary lasa mitoka-monina ny toerana maro. Ny vaovaohatrany no nahafantarana fa nisy faty hitan’ny olona natsingevan’ny rano.
Nangonin’i r.s.