- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

Morondava. Saika raikitra ny sakoroka, nitaky fitsaram-bahoaka ny olona. Raikitra indray ny sarovoro tao an-tampon-tanan’i Morondava omaly. Nitaky fitsaram-bahoaka tamina olona enina voasambotra mantsy ny fokonolona. Vehivavy iray no tsy hita ny 19 desambra lasa teo, ary hita faty ny 23 desambra taorin’izay. Taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa olona enina no voarohirohy sy nosamborina. Nampidirina am-ponja vonjimaika omaly ireto olona ireto. Teo anatrehan’izay dia nitaky ny hamoahana ireto olona ireto ny fiankavian’ny maty, ary nitondra olona mba hanao fitsaram-bahoaka sy handevina ilay vehivavy novonoin’izy ireo. Nilamina ihany izany nony ny farany raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana rehefa nohazavaina tamin’ireto olona ireto fa tsy mety ny manao izany.

Fenoarivobe. Olona efatra maty. Vokatry ny andro ratsy iny, dia olona efatra no maty namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe, ka ny telo amin’ireo maty nilatsaham-baratra, namoy ny ainy maty an-drano kosa ny olona iray. Faritra maro teto amintsika no nitondra takaitra noho ny ora-nikinja farany teo. Tao ny lalam-pirenena tapaka mihitsy, toerana iva mbola dibodrano hatramin’izao. Vokatr’izany, mponina an’aliny traboina.

Belo Tsiribihina. Mpiarakandro telo lahy maty tsy tra-drano rotiky ny balan’ny dahalo. Mpandroaka omby telo lahy no indray maty tsy tra-drano rotiky ny balan’ny dahalo, ny alarobia teo, tany amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina. Raha ny vaovao voaray dia avy any Andimaka-Manambolo, handeha hihazo ny renivohitry ny distrika ireto mpiarakandro no voasakan’ny dahalo teny an-dalana tao amin’ny kizon’ Andolontsaka. Tifitra variraraka avy hatrany no nihatra tamin’ ireto mpandroaka omby namoy ny ainy. Omby miisa efatra no very. Raha ny vaovao azo hatrany dia mbola lasa nanafika tao amin’ny tanànan’i Sakoazato indray avy eo ireo dahalo. Tsy sahy nanohitra ny fokonolona tao amin’ity farany, ka omby am-polony maro no voaroba. Hatreto dia mbola any am-panarahan-dia ny Zandary sy ny miaramila miaraka amin’ny fokonolona.

Nangonin’i m.L / Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici