- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

#-Ikopa. Zazalahy hita faty. Vatana mangatsiakan’ ankizilahy kely vao 13 taona indray no natsingevan’ny ranon’Ikopa, omaly. Raha ny fantatra dia efa ny talata izy no tsy hita ary nody tany an-tranony teny Manarintsoa. Teny ambany tetezana Anosizato kosa anefa izy no izao hita faty izao. Nilomano dia maty an-drano sa nisy namono ? Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny antony nahafaty ity zazalahy ity. Efa mandeha amin’izao ny famotorana. Nomena ny fianakaviana kosa ny razana taorian’ny fizahana nataon’ireo tomponandraikitra.

#- Moramanga. Lakana nivadika, tafakatra 19 ny maty. Efa hita avokoa ireo olona , natelin’ny reniranon’i Mangoro, tany amin’iny faritra Moramanga ity, tamin’ilay fivadihan’ny lakana, niseho ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ity loza an-dranomamy ity izany, dia tafakatra 19 ireo namoy ny ainy. Marihana fa mpivavaka handeha hamonjy fodiana ireo tra-pahavoazana ireto.

#-Toliara. Zandary mpiana-draharaha voatafika sy voatifitra. Omaly tao Morafeno, Toliara, zandary mpiana-draharaha iray no nisy nisakana raha handeha hamonjy famoriana vao maraina. Nambanan’ireo jiolahy tamin’ny basy vita gasy ity zandary ity ary nasain’izy ireo namoaka izay zavatra tany am-paosiny. Nanohitra anefa ilay mpitandro filaminana ka notifirin’ireo olon-dratsy, ary voa teo amin’ny tanany. Nandositra ireto farany. Niezaka namonjy toby miaramila teo akaiky teo kosa ilay naratra. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy. Naterina tany amin’ny tobim-pahasalamana kosa ilay zandary voatafika.

Nangonin’i m.L

# – Toliara. Ramatoa haka mpianatra, maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona indray tany Toliara, ny talata antoandro teo, tokony ho tamin’ny 11 ora 30 minitra. Ramatoa iray nandeha an-tongatra handeha haka ny zanany avy nirava nianatra no maty tsy tra-drano voahitsaky kamiao iray mpitatitra entana tao Mangabe, amin’ny lalana mihazo ny lapan’ny Faritra Atsimo Andrefana iny. Raha vao niseho ny loza dia nandositra ilay mpamily, satria natahotra ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Isan’ny nahatonga izao loza izao, raha ny fanazavana azo, ny hateren’ny lalana. Nogiazana ao amin’ny biraon’ny Polisy ao bazaribe ilay fiara nahafaty olona. Am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha sy fikarohana an’ilay mpamily nahavanon-doza nitsoaka.

#- Fenoarivo Atsinanana. 12 000 ariary kilaon’ny hena omby, nefa mbola ifampitadiavana. Ifampitadiavana ary vidin-dafo amin’izao ny hena omby any Fenoarivo Atsinanana. 12 000 ariary ny vidin’ny iray kilao. Raha ny vaovao voaray dia mbola mety hiakatra ny vidin-kena, noho ny tsy fisian’ny omby hovonoina any an-toerana. Fantatra mantsy tao anatin’ny tapa-bolana, raha ny fanampim-panazavana dia tsy nitsaha-niakatra ny vidin’ny henan’omby any an-toerana noho ny fahavitsian’ny omby vonoina isan’andro manodidina ny enina na fito, ka tsy maharaka ny filan’ny mponina intsony.

#- Farafangana. Tovolahy 26 taona avy nandroba ramatoa niantsena, saika matin’ny fitsaram-bahoaka, mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Tovolahy mpangalatra iray 26 taona no saika matin’ny fitsaram-bahoaka tany Farafangana, afak’omaly hariva. Raha tsy tonga haingana ny mpitandro filaminana, hoy ny vaovao voaray, dia matin’ny vonoin’ireo fokonolona efa romotra ity mpandroba ity. Raha ny vaovao voaray dia nanendaka ramatoa iray niantsena ity tovolahy ity, ka very tamin’izany ny vola dimy alina ariary tao anaty poketra. Nitsoaka ilay tontakely rehefa azony ny rembiny. Niantso vonjy kosa ny niharam-boina, ka nirohotra nanenjika ilay mpangalatra avokoa ny rehetra teo amin’ny manodidina. Tsy lasa lavitra dia tratra ilay mpanendaka ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao, noho ny ratra sy vono mafy nihantra taminy, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici